Ny mombamomba ahy

Nampidirin'i ilo | 1 Aog, 2008

Izaho : Kristianina, Zanak'Andriamanitra satria efa nandray an'i Kristy ho Tompo sy Mpamonjy

Ny finoako :

- Mino an'Andriamanitra Ray, Zanaka, Fanahy Masina aho

- Mino aho fa Tenin'Andriamanitra avokoa izay voasoratra rehetra ao amin'ny Baiboly ary marina avokoa izay voalaza ao

- Mino aho fa ny olona dia tsy misy marina na dia iray akory aza fa samy efa nanota avokoa

- Mino aho fa iray ihany no mpanalalana an'Andriamanitra sy ny olona dia i Kristy (tsy mino mpanalalana hafa aho na mpitondra fivavahana izany na olona hafa na olona efa maty...)

- Mino aho fa avy amin'ny Kristy irery ihany no ahazoana famonjena dia ny fiainana mandrakizay - Mino aho fa nitsangana tamin'ny maty Kristy telo andro taorian'ny nahafatesany

- Mino aho fa i Kristy dia tonga olona fa tsy nisy ota tao Aminy

- Mino aho fa tsy mahavonjy ny batisa amin'ny rano na ho an'ny zaza na ho an'ny olon-dehibe fa ny finoana an'i Kristy irery ihany no mahavonjy

Mbola hitohy...